Nisoloky 9 000 000 Ar: naiditra am-ponja ilay mpangalatra Mvola

Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray mpangala-bola anaty finday. Norobainy ny lelavola 9 000 000 Ar tao anaty kaontin’olona. Naiditra am-ponja vonjimaika izy.

Voasambotry ny polisy misahana ny heloka ana habaka “Cybercri­mi­na­lité”, ny lehilahy iray mpan­galatra vola anatin’ny puce, tetsy Behoririka, ny 25 oktobra teo. Tompona puce iray very nametraka fitarainana teny amin’ny polisy fa tsy hita popoka ny vola napetrany anatin’ny kaonty amin’ny findainy, ny 25 septambra lasa teo. Nanatona ny tambajotra miandraikitra amin’ny fandrindrana ilay puce ny tompony, ny 26 septambra. Tsy hita anaty finday intsony ilay lelavola. Voamariny ara-dalàna anefa fa tsy mbola naka ny vola an-tapitrisany tao anatin’io puce io ity tompony ity. Nanao ny fikarohana izay na­havanona io heloka io ny mpitandro filaminana. Nara­hina tamin’ny alalan’ny fitaovana manokana voatokana amin’ny fanaraha-maso ireo puce very io olon-dratsy io. Voasam­botra teo Behoririka izy.
Miara-miasa
Tsy mandeha irery, miara-miasa akaiky amin’ny mpivarotra puce ity lehilahy voasambotra ity, araka ny fanazavany tamin’ny polisy nanao ny famotorana azy. Notantarainy tamin’ny antsipirihany fa nalainy ny lelavola nitetina 9 tapitrsa Ar tao anatin’io puce io. Mora ho azy ny nisitraka io vola io noho ny fahafantarany ny anarana sy ny mombamomba ny tompon’ny puce very. Nentina natao famotorana, araka izany, io lehilahy mpangalatra sady mpisoloky io. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny heloka ana habaka amin’ny fanatrarana ny mpiray tsikombakomba amin’ity voasoloky ity. Marihina, mirongatra ny tranga fangalarana vola anaty finday tato ho ato. Efa maro ireo voasambotra tamin’ny fanaovana ity asa ratsy ity.

Tsiferana R.

Partager sur: