Tsy maintsy vahana anatin’ny fotoana fohy ny resaka delestazy satria tena manimba fiainana ilay izy. Tsy andrasana hikorontana ny olona vao hitady vahaolana fa mila vahana haingana ny fikatsoan’ny famatsiana jiro ary hanairana ny tomponandraikitra rehetra izany, hoy izy.
Tokony hamarinina raha tena misy migafy tokoa ao amin’ny Jirama ary handraisana fepetra hentitra. Jerena ny fototry ny olana ao amin’ny Jirama ary samy mandray ny andraikiny ny rehetra mba tsy hiteraka any amin’ny fipoahana ara-tsosialy ny krizy ateraky ny delestazy.
Tsy ny fitokonan’ny olona mitaraina noho ny tsy fisian’ny jiro tsy hahafahan’izy ireo miasa sy mivelona ara-dalàna no ezahina ravana fa ny vahaolana mihitsy no tokony haroso, hoy hatrany ny governoran’ny faritra Analamanga.
Niseholany rahateo ny fitokonana teto Antananarivo sy ny manodidina vokatry ny fahatapahan-jiro isaky ny ora 4 ary miteraka fahatezerana ho an’ny mponina izany.
Nanamafy ny governora Rasoamaromaka Hery ny amin’ny fisian’ny mpiasan’ny orinasa Jirama tsy mandoa vidin-jiro sy vidin-drano kanefa mivarotra malalaka amin’ireo tokantrano marobe manodidina azy. Fokontany iray manontolo mihitsy no vatsiany jiro sy rano ary tsy misy fahatapahana ny azy ireo. Gaboraraka tanteraka izany ka mila handraisana fepetra.
Tokony hisy ny ekipa manokana misava ireny mpiasan’ny Jirama manao gaboraraka ireny. Efa sahirana ny Jirama ka tokony handoa vola amin’izay ireo mpiasan’ny jirama satria efa tena latsaka lalina ilay orinasa.
Momba ny famatsiana rano ho an’ny faritra Analamanga, hisy ny forage hatao hisian’ny famatsian-drano maharitra amin’ireo toerana sasantsasany. Ny fanjakana koa efa nametraka ireo siniben-drano maromaro mamaha amin’ny ampahany ny olana. Toraka izany ireo lavadrano amboarina.
Tatiana A