Praiminisitra Ntsay Christian : “Fototra itondrana ny tany sy ny fanjakana ny demokrasia”

Manamafy ny lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, fa ny demokrasia ihany no fototra ahamari-pototra ny fanjakana. Nisaotra ny Pr Zafy Albert, rain’ny demokrasia izy noho izany.

“Zavatra tsotra ny de­mokrasia: fanomezana ny olona jiaby fa­halalahana miteny. Nefa kosa fanajana ny fanapahan-kevitry ny maro anisa. Izay no mibaiko ny fampandrosoana fototra itondrana ny tany sy ny fanjakana”. Io no anisan’ny kabarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Betsiaka Am­bilobe, faritra Diana, ny faran’ ny herinandro teo, tamin’ny lanonana fitokanana tany an-toerana ny tsangambaton’ny Pr Zafy Albert, rain’ny demokrasia. Olomangan’ny firenena izy. Tsy hay ny tsy hankasitraka ny vitany, ary tsy hay ny tsy hametraka azy amin’ny toeram-boninahitra izay tokony hananany amin’ny tany sy ny fanjakana eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Anisan’ny laharam-pahamehana tamin’ny fitondrany ny demokrasia.
“Ny irariako : ho marobe no hanaraka ny lalana napetrany, hanaraka ny lesona nomeny, hanaraka ny fomba fiaina namaky ny fandalovany teto amintsika”, hoy ny Prai­minisitra. Tsy an’ny filohan’ny Repoblika ihany izany, tsy an’ny Praiminisitra ihany iza­ny, tsy an’ny minisitra ihany izany… Fa ho an’ny tomponandraikitra jiaby mahatsapa fa manana adidy aman’andraikitra eto amin’ny firenena. Misy zavatra azo raisina sy tarafina amin’izay napetraky ny Pr Zafy Albert. Tsy azo hadinoina fa aty Betsiaka, Ambilobe, no tena akany nitomboany ary ao koa no nametrahan’ny fianakaviana ny taolambalony. Manan­dra­tra ny maha Malagasy dia ny fihavanana ny firenena iray manontolo.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny vady navelany, i Zafima­hova Thérèse. Teo koa ny zanaka aman-jafiny, ny fianakaviany, ny olom-boatendry sy olom-boafidy maro, ireo raiamandreny ara-pinoana sy ireo raiamandreny ara-drazana, ny mponina any an-toerana…

R. Nd.

Partager sur: