Mihorohoro tanteraka! Izay no azo ilazana ny renim-pianakaviana iray niharan’ny herisetran-jiolahy teny Ampefiloha, ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora. Teo amin’ny lalana mitsofoka mankany Anosy izy no nendahin’ny jiolahy. Araka ny fanazavan’ity renim-pianakaviana ity, variana nifampiresaka tamin’olona tao anaty finday izy sady mandeha ihany amin’iny lalana mihazo an’Anosy iny. Tampoka teo, nobahanan’ny lehilahy iray somary ngezangeza izy sady noraisiny teo amin’ny tendany. Notenen’io jiolahy io moramora ity renim-pianakaviana ity hoe « tonga dia aza ampidirina any anaty poketranao intsony iny telefaonina iny ». Nihoron-koditra tanteraka izy tamin’io fotoana io ka tsy naharesaka intsony fa nampidina moramora ilay finday avy eo amin’ny sofiny. Tsy vitan’izay fa mbola nisy jiolahy iray hafa koa nanambana antsy maranitra teo amin’ny takibany. Nalain-dry zalahy avy hatrany ilay finday teny aminy. Tsy nionona tamin’ilay finday anefa ireo olon-dratsy fa mbola nasainy nesorina moramora koa ny peratra mariazy teny an-tanany. Feno olona nifamezivezy anefa tamin’io fotoana io saingy tsy afa-nanoatra ity vehivavy niharam-boina ity. Nisy nahita rahateo ireo jiolahy nanendaka azy fa noheverin’ny olona fa miresaka aminy, raha ny fanazavana voaray. Manoloana ny zava-nanjo azy, tsy afaka miasa mandritra ny herinandro izy noho ny tahotra, indrindra isaky ny hivoaka ny trano. Tsy misy afa-tsy ny fahamailoana ihany fa tsy kely lalana ny ratsy.
J.C