Handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Robotex 2024” atao any Tallinn Estonia, ny 6 sy 7 desambra izao, i Madagasikara. Hisolo tena ny firenena malagasy ny ekipa misy an’i Harena sy Fitizo ary Soadanana, tovovavy kely 11 sy 13 taona. Hamboatra robot miady amin’ny haintrano, doro tanety ary doro ala izy telo miarahavavy mandritra ny fifaninanana. « Fifaninanana natokana ho an’ny tovovavy sy vehivavy ny fanamboarana robot miady amin’ny haintrano. Tanjona ny hampivelatra ny fahaiza-manaon’ny tanora ao anatin’ny sehatry ny teknolojia sy ny ingénierie », hoy ny fikambanana STEM 4 Good misy azy telo mirahavavy.
Tanjona ao anatin’ny fifaninana “Robotex international” ny hampiroborobo ny Siansa, ny Teknolojia, ny Ingénierie ary ny Matematika (STEM) ho an’ny tanora, mba hahafahany maneho ny fahaiza-manaony ara-teknika sy ny famoronana. Manome tantsoroka ireto katika kelintsika ireto nandritra ny volana maro ny STEM 4 Good. Ity farany izay tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ireo mpianatra 7 ka hatramin’ny 17 taona liana eo amin’ny tontolon’ny codage, robotika, siansa, teknolojia, matematika ary ny ingénierie.
Henintsoa H.