« SIH 2024 »: Fahombiazana tanteraka ny hetsika

Tratra ny tanjona ho an’ny Forello Expos nandritra ny « Salon international de l’habitat » andiany faha-26, ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra lasa teo, teny Tanjombato. Nomena sehatra manokana ireo fanamby eo amin’ny tontolon’ny fanorenana trano. Manodidina ny 15 000 isa ihany koa ireo mpitsidika nandritra ny efatr’andro nanaovana ny hetsika. Nahatratra 150 ny mpandray anjara, nisandrahaka tamina tranoheva manodidina ny 300, izay samy nampiranty ny fahaiza-manaony avokoa. Tao ireo mpisehatra eo amin’ny fanodinana ny hazo. Hita teny an-toerana ihany koa ireo mpanao haingon-trano sy mpisehatra eo amin’ny famokarana angovo azo havaozina, ireo mpandrindra ny tanàna, sns.
Teny filamatry ny SIH tamin’ity taona ity ny fanavaozana. Nivoitra tanteraka izany tamin’ny alalan’ny robotika sy ny fampiasana ny saina voatr’olombelona (intelligence artificiel) eo amin’ny fanorenana trano. « Afapo tanteraka izahay, tratra avokoa ny tanjona, na ny fahafantarana ny hetsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy ny tale jeneralin’ny Forello Expos, Laélia Dijoux Monloup.

Fanilo
Hifantoka kokoa amin’ny sehatra namantarana azy hatramin’izay, toy ny fanodinana ny hazo sy ny vato ary ny fampivoarana ny taotrano ny vondrona Hazovato. Noho izany, handray ireo hetsika iraisam-pirenena miisa efatra (FIM, FIA, SIH ary STLM) ho an’ny taona ho avy ny Madavision. Nahazoana traikefa sy fahalalana avokoa ireo hetsika vitsivitsy nokarakaraina. Fahombiazana ny fanatanterahana izay vita sady nanome ainga vao ho an’ireo hetsika iraisam-pirenena taorian’ny krizin’ny Covid-19, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Henintsoa H.

Partager sur: