SOMBIM-BAOVAO

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra anaty efi-trano «Futsal 2024». Tsara fanombohana ny ekipan’ny Tac Pro Kids, U13, sy ny CUA ,U15.Tsiahivina fa misy lalao ihany koa eny Ankorondrano.

Voahosotra ho tompondakan’ny “Tournoi Intercall”, andiany faharoa, taranja basikety, ny ekipan’ ny Boost, sokajy vehivavy, sy ny FFI, sokajy lehilahy. Fifaninanana natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny faran’ny herinandro teo.

Tontosa, omaly, ny antsapaka ho an’ny fifaninanana “Alley Hoop”, taranja basikety, andiany faha-6. Fifaninanana izay hatao ny 2 sy 3 novambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Araka ny fikarohana natao omaly, noroahan’ny tomponandraikitra tao amin’ny klioban’ny Man­chester United FC, Angleterre, ny mpanazatra, i Eric Ten Hag. Tsiahivina fa noho ny vokatra ratsy azon’ity klioba anglisy ity matetika no nahatonga izany fanapahan-kevitra izany.

Partager sur: