Taom-piotazana letisia: mila miomana mialoha ny mpisehatra

« Afaka mandray anareo ireo biraom-panjakana mpikirakira ny antotan-taratasy ilaina amin’ny fanondranana letisia », hoy ny talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa sy fampiroboroboana ny eny ambanivohitra, Laurent Jean Maurice, ny zoma teo, teny amin’ny birao fiasany. Hatao izao mba hisorohana ny fahatarana sy ny filaharam-be eo amin’ny « guichet unique ». Nambarany fa hisokatra aorian’ny fivorian’ireo teknisianina sy vondrom-pandraharaha mp­a­nondrana letisia ny 12 novambra hoavy izao ny « guichet unique ». Na izany, tokony hanomana ireo fitaovana isan-karazany hampiasaina rehetra ireo mpisehatra samihafa. Tsindrina manokana ireo garaba hametrahana ny letisia. Tokony hikarakara ny fiara sy hanomana ny antontan-taratasy ihany koa ireo mpitatitra. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa mety hidina ny vokatra haondrantsika noho ny fahataran’ny orana. Hahatratra 40 000 taonina, hoy izy, ny vokatra miakatra amin’ity taona ity.
Tsiahivina fa milanja 18 000 taonina ny letisia naondran’i Madagasikara tamin ny taon-dasa.

Sajo

Partager sur: