Hankalazana ny faha-10 taona nananganana ny tarika Dadalaora avy any Manalalondo, hisy ny adin-kiragasy goavana, izay hotontosaina ao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny alahady 3 novambra izao. Hifampitaha amin’izany ry Rapaolison avy any Mandiavato sy ny tarika dadalaora Manalalondo.
Miroso tsikelikely amin’ny asa aman’andraikitra hiantsorohany ny Maison Ony eny Ambatobe. Taorian’ny lalonam-panokafana, ny faran’ny herinandro teo, efa miditra amin’ny fanofanana ireo tanora amin’ny seha-kanto marolafy sahady ity ivontoerana hanandratana ny zavakanto ity. Tsy mozika ihany, fa tohanana ihany koa ny famokarana sarimihetsika, ny famokarana tetikasa manodidina ny zavakanto, havadika ho loharanom-bola.
Tanterahina ny 2 hatramin’ny 16 novambra 2024, eny amin’ny IFM Analakely, ny « Novembre Numérique”. Hetsika natao hampiroboroboana ireo zavakanto niomerika. Fampirantiana, velakevitra ary fampisehoana manodidina izay fotokevitry ny hetsika izay no handravaka ny « Novembre numérique ».
Mandray anjara amin’ny fampirantiana ao amin’ny Palais de Tokyo ao Paris, nanomboka ny 17 oktobra 2024 hatramin’ny janoary 2025, i Malala Andrialavindrazana. « Figures » no lohateny ampitondrainy ny zavakantony amin’izany. Zavakanto izay mirakitra ny sarin’ireo famatarana voasokajy ho vakoka.