Hotanterahina ny sabotsy 9 novambra 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Zazadàla. Hetsika ho fampiroboroboana sy fampahafantarana misimisy kokoa ny “Juliette Romanova’s Ghost Story (Part 1)”, rakikira voalohan’ny tarika. Anisan’ny seho atolotry ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ao anatin’ny hetsika lehibe « November numérique » izy ity. Mandritra ity fampisehoana ity, araka izany, no ahitana ireo hiran’ny tarika Zazadàla an-tsehatra, indrindra ireo ao anatin’ny rakikirany.
Tarika ahitana tanora malagasy miisa telo mianadahy. Hira valo amin’ny teny anglisy no mandrafitra ny rakikira “Juliette Romanova’s Ghost Story (Part 1)” an’ny tarika Zazadàla. Anisan’izany ny « Roll down », « Sorrow », « Selfish junkie », “Meat Chocolate Cake”, “Shut up”, “Unfindable”, “Intro”, “Pain in the a…”. Anisan’ny mitantara ny niforonan’ny tarika ity rakikira ity. Juliette Ramanova, izay tovovavy kamboty nanan-talenta teo amin’ny sehatry ny mozika sy ny dingana nodiavina nahatafita azy no resahina ao anatin’izany. Ny taona 2019 no nanomboka hita teo amin’ny sehatry ny zavakanto sy mozika malagasy ny tarika. Tamin’ity volana oktobra 2024 ity kosa vao nahatafavoaka ny rakikira voalohany ho azy ry zareo, taorian’ny fiantranoana tao anatin’ny tetikasa IFM Lab, nandritra ny fotoana lava.
Lin