Nidinika mahakasika ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fahaiza-miatrika izany eto Madagasikara ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo sy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo, omaly.
Ny fomba fambolena manaja tontolo iainana no anisan’ny fahombiazana anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ankoatra ny tohana vonjy aina sy ny fanampiana ara-tsakafo, miara-misalahy amin’i Madagasikara ihany koa i Etazonia amin’ny fampiroboroboana ny fambolena mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mifototra amin’ny vokatra azo amidy, no sady maro karazana izany.
Arakaraka ny faritra sy ny toetany ny karazam-bokatra hampiroboroboina mba tena hitondra vokatra sy hamelona ny olona ao sy ho azo amidy amin’ny manodidina izany.
Nampahafantarin’ny masoivoho, Pirangelo, ihany koa ireo tetikasa vaovao hoenti-manohana ny tantsaha sy ny vondrom-piarahamonina ifotony. Manamafy hatrany ny finiavany ny governemanta amerikanina hanohana ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy sakafo maharitra sy ara-pahasalamana.
Tatiana A