Tsy ny akanga tsara soratra

 

Ohatra ny mivadika hafahafa indray ny tantara eto Madagasikara! Mahoraka tampoka teo ny olana diplaomatika amin’ny Nosy rahavavy. Samy manana ny filazany izay afaka milaza. Samy miteny izay te hiteny. Ny azo hamehezana azy nefa dia tsy azo tsinontsinoavina ny fiandrianam-pirenena na iza io na iza. Samy sarotiny amin’ny azy io. Samy miaro ny tombontsoany rahateo.
Nahabe resaka ny aretina kolera sy ny bolongam-bolamena any Comores. Ireny no taratry ny maha firenena mahaleo tena an’i Madagasikara. Tsy misy mahalala ity Nosy malalatsika ity afa-tsy isika Malagasy ihany. Rariny sy hitsiny raha misy ny zotra nosafidiana harahina dia ny fanidiana sisintany sy ny fitakiana izay tokony hotakina.
Tsy voatery ho amboletra anefa no hanaovana izany, fa tsy maintsy mandeha anaty fifampiraharahana. Zava-dehibe ny resaka diplaomatika, tsy azo tsinontsinoavina. Tsy azo atao rano dikain’ny zinga rahateo ny herivelona rehetra azo ifampiresahana. Mila vokatra tsara ny raharaham-bahiny malagasy amin’izao fotoana izao. Misy ny fanangonana mpiara-miasa vaovao fa tsy azo avotsotra kosa ny efa misy.
Tsy tokony ho varivarian’ny lavitra koa anefa isika Malagasy. Tsy ny any ivelany irery no afaka hampandroso. Manoloana izany, ilaina ny fandraisana andraikitra haingana avy amin’ny mpitondra ato anatiny. Ilaina ny fampiroboroboana ny fifandraisan’ny samy Malagasy, indrindra amin’ny fifampitsinjovana ny maha olombelona.
Sodokan’ny fifandraisana amin’ny vahiny isika, hany ka zary ambanin-javatra ny fijerena ilay Malagasy. Ireto farany anefa no tena mpisehatra ifotony, afaka ny manangana fototra amin’ny drafitra isan-karazany tiana hapetraka. Tsy sanatrian’ny vava mahita ny akanga tsara soratra ka hanary ny akoho taman-trano.

r.r

Partager sur: