Tokony hampitomboina in-27,3 ny fidiram-bola eto amintsika vao mahatratra ny fari-piainana iraisam-pirenena voatondro ho 25 isan’olona, isan’andro, i Madagasikara. Misongadina ny tsy fitoviana lalina eo amin’ny firenena. Amin’ny ankapobeny, tokony hampotomboina indimy dia tratra io fetra voalaza io.
Mitentina 2 734,8 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny fadintseranana nandritra ny sivy volana tamin’ity taona ity. Nitombo 8% izany raha oharina ny tamin’ny taon-daaa. Anisan’ireo nampidi-bola betsaka ny solika, ny friperie, ny siramamy, ny simenitra, ny fiara ary ny fitaovana fifandraisana.
Miisa 1 314 ireo sambo nifamezivezy tao amin’ny seranantsambon’i Ehoala Taolagnaro nandritra ny 15 taona ka sambom-panjakana avokoa ny 1 182. 219 kosa ny sambo nitatitra ireo harena an-kibon’ny tany raha nitondra mpizahatany miisa 51 457 ireo sambo miisa 68 ambiny. Manohana ny tetikasa sosialy sy tontolo iainana ary teknolojia maro ny seranana.