Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana nanomboka ny 27 oktobra teo ary hitohy hatramin’ny 3 novambra izao, any Fianarantsoa, tohanan’ny Telma Madagascar. Ho an’ny ekipan’ny GNVB, manana solontena avokoa ny sokajy lahy sy vavy. Fandresena avy hatrany no azon’izy ireo, ny alahady lasa teo ary nitohy omaly izany. Samy nilalao ary samy nahazo fandresena, na ny lahy na ny vavy, ho an’ity ekipan’ny Zandarimariam-pirenena ity. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nandavo ny ekipan’ ny CVBF Atsimo Atsinanana ny GNVB Analamanga, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-14/25-19/25-15). Teo amin’ny lehilahy kosa, tsara fanombohana ihany koa ny GNVB lehilahy, izay nandavo ny GSVBC, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-18/25-12/25-18) ary nahazo fandresena nanoloana ny Squad X, omaly.
Ekipa nahazo vokatra tsara ihany koa, tao anatin’izay 2 andro izay, ny EVBI Ihorombe, nandresy ny MVBC, tamin’ny seta 3 no ho 2 (15-25/25-21/28-25/25-23/15-8), teo amin’ny sokajy vehivavy. Seta 3 no ho 0 (25/18, 25/13, 25/16) kosa no nanilihan’ny EVBI ny VBLC, teo amin’ny sokajy lehilahy.
Mi.Raz