Vondron-kery miady amin’ny piraty (BAP) : hamafisina ny ady amin’ny hosoka ana habaka

Tsy ny fanenjehana mpamokatra sy mpivarotra kapika hosoka ihany ny asan’ny BAP. Mbola mafy kokoa ny miandry azy ireo, ny hosoka niomerika, izay mahazo vahana loatra ary sarotra ahitam-bahaolana.

Nampiana ny isan’ny mpitandro filaminana mandrifitra ny Vondron-kery miady amin’ny hosoka (BAP). Noraisina sy nampahafantarina omaly, taorian’ny fananganan-tsaina nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ireo mpikambana vaovao. «Saro-piaro ny governemanta amin’ny ady amin’ny hosoka ara-javakanto, ara-tsoratra, ary indrindra amin’ny ady amin’ny hosoka niomerika izay efa mahazo vahana amin’izao fotoana izao. Mijoro manatanteraka izany ny minisitera, amin’ny alalan’ity Von­dron-kery manokana miady amin’ny hosoka ity”, hoy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mara Volamiranty Donna. Mahazo vahana loatra mantsy ity hosoka niomerika ity, ary tsy mety tena voafehy tanteraka, hany ka manakorontana ny rindram-piarahamonina.
Hampitomboina ihany koa ny isan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny ady amin’ny hosoka ana habaka, raha ny fanazavan’ny mpandrindra ankapobeny ny Von­dron-kery manokana, ny kaomisera Rarivomanantsoa Eddy. Hanaovana ezaka ny fampitaovana, izay mila ma­naraka ny teknolojia vaovao, mba hahatongavana amin’izany tanjona izany.
Mahakasika ny vokatry ny asan’ny Vondron-kery manokana, olona miisa 49 no natolotra ny fitsarana tao anatin’ny 3 volana. Misy tamin’ireo no notanana vonjimaika am-ponja, ankoatra an’ireo arahin’ny fitsarana maso akaiky. Satria misahana ny fiarovana ireo harembako-pirenena iha­ny koa ny BAP, nisy koa ireo andian’olona nanao asa ratsy tamin’ireny no nosamborina.
Tsiahivina fa amin’ny maha Vondron-kery azy, ahitana polisy, zandary, miaramila ary sivily teknisianina ny BAP. Misandrahaka be ny asa sahaniny, manomboka any amin’ny fanenjehana ireo mpanao kapila hosoka izay efa somary mihalefy, ireo mpivarotra hira tsy ara-dalàna, ny fanenjehana ny hosoka amin’ ny karazan-javakanto rehetra, ny fiarovana ny harembakoka, ary ny fanenjehana ireo karazana hosoko niomerika, izay tena anisan’ny asa mafy indrindra.

Zo ny Aina

Partager sur: