Hotohoton’ny afo avokoa ny trano miisa valo tao amin’ny kaominian Kiangara, distrikan’Ankazobe, omaly atoandro. Niainga tamina tokantrano iray tao an-toerana io firehetana io. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny fahamaizana fa ahin’ireo lasibatra ho niainga tamin’ny fipoahan’ny vatoharatra. Niteraka fahamaizana tamin’ny tafo io fipoahana io ka nalaky nahazo ny tafon-trano sasany ny firehetana. Tokantrano valo, honenan’ny olona miisa 63 mianaka, ireto lasibatra ireto. Samy nanao izay ho afany nifehezana ny afo ny fokonolona saingy nanao sarotra izany noho ny fisian’ny rivotra. Levon’ny afo avokoa ny entana tao amin’ireo tokantrano niharan-doza. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny tomponandraikitra hamantarana ny antony niteraka ny loza.
Tsiferana R.