Caisse d’Epargne de Madagasikara: vao teraka ny zaza dia efa manana tahirim-bola

Feno 100 taona ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tahiry, isaky ny 31 oktobra. Etsy ankilany, niforona ny taona 1918, izany hoe, efa 106 taona ny Tahirim-bola eto Madagasikara na « Caisse d’Epargne de Madagascar (CEM)”.

Nambaran’ny tale jeneraly, Ranaivoharisoa Rinah, fa ny mampiavaka ny CEM ny maha rafi-panjakana, velona sady mihodina tsara azy. Manampy sy manohana ny Malagasy tsirairay hidirana amin’ny fitantanana ara-bola, ka mampandroso ny toekarena sy ny sosialy eto amintsika. «Reharehanay ny hoe an’ny Malagasy 100% ny CEM», hoy ihany izy.

Nomarihin’ny tale jeneraly fa voalohan-daharana amin’ny lafiny tahiry eto Madagasikara ny CEM, sady mpikambana ao anatin’ny Kongresy iraisam-pirenena ho an’ny tahiry sy ny banky madinika (WSBI). Na mitovy sata amin’ireo sampandraharaha ara-bola madinika na micro finances aza izy, tsy niova mihitsy ny tarigetrany sy ny maha izy azy nandritra izay 106 taona niforonany izay. Izany no mahatonga ny mpikambana ao aminy efa ma­hatratra 1 100 000 amin’ izao fotoana izao, manana ma­­so­ivoho 29 manerana ny Nosy.
Ho an’ny CEM, singa fototra ny fanabeazana ara-bola ho an’ny rehetra. Ary zary efa tafiditra ao anatin’ny kolontsaina malagasy izany, satria na vao teraka aza ny zaza, dia fa­nao ho fanomezan’ny ankohonana, toy ny renibeny, ohatra, ny fanokafana kaonty CEM azy. Misy koa ny manome ho solon-dropatsa ny reniny.

Teknolojia niomerika
Tanjon’ny CEM hatrany ny manakaiky ny Malagasy tsy ankanavaka. Miainga amin’ny zaza, ny tanora, ny mpianatra, ny olona vao hiditra amin’ny sehatry ny asa, ny lehibe hatrany amin’ny zokiolona mandray fisotroan-dronono.

Nohazavain-dRavoniharisoa Rinah, DG, fa vina amin’ny ho avy ny hampiasana ny fivoaran’ny teknolojia. Satria, laharam-pahamehana ny fihainoana sy ny fanomezana vahaolana ho an’ny mpikambana sy ny mpanjifa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: