Manazava ny fomba fikoloana ny fahasalaman’ny saina Rabemananjara Lova Maël, mpandalina ny tontolon’ny fahasalamana ara-tsaina sy ny fiainan-tsoa, nandritra ny resaka natao tamin’ny eTalk.
Mahavita manatratra tanjona na kely na lehibe ireo olona milamin-tsaina. Na mandalo sedra mafy na mora dia mahavita miatrika izany. Mahomby amin’ny zavatra ataony ary manana fiainana sosialy. Io no hamaritana ny olona manana fahasalamana ara-tsaina, araka ny navoakan’ny OMS.
Matetika ny fahasalaman’ ny vatana sy fanahy no voaresaka fa tsy ao anatin’ny kolontsain’ny Malagasy ny fahasalaman’ny saina. Ohatra ny fampianarana ny fihetsem-po sy ny tian’ny fihetsem-po ho lazaina.
Mety mahazo ny Malagasy koa anefa ny fahaketrahana lalina. Ampifandraisin’ny Malagasy ho zava-mahamenatra sy mampihomehy ny tsy fahasalaman’ny saina ka tsy tsaboina fa avela eny fotsiny ireo tsy salama. Tsy mbola laharam-pahamehana amin’ny Malagasy io tsy fahasalamana ara-tsaina io.
Nisy ny fikarohana natao, nifantoka tamin’ny fahasalamana ara-tsaina, ny taona 2011. Raha misy olona 2 mipetraka eto Antananarivo dia iharan’ny fikorontanan-tsaina ny iray amin’ireo.
Ny tanora 15 hatramin’ny 25 taona no tena iharan’ny fikorontanana ara-tsaina ka mpianatra ny 23% amin’izy ireo. Raha ny tomban’ny OMS dia hiakatra 50-60% ny tahan’ny olona tratran’ny tsy fahasalamana ara-tsaina hatramin’ny taona 2030.
Rarintsaina, fitaintainana sy ny tery amin’ny lafin’ny asa no anisan’ny maha betsaka ny tsy salama. Miha betsaka ny zavatra angatahina amin’ny tsirairay eo amin’ny toeram-piasana. Mitady ny tsara hatrany ny orinasa. Eo koa ny dona samihafa, toy ny voina mitranga, fahoriana… Mety miteraka fikorontanana ara-tsaina avokoa izany.
Ankoatra izany, ny tsy fikarakarana vatana sy ny tsy fanaovana fanatanjahantena. Vokany, tsy misy ny hormone mampifalifaly ka mampisy fiantraikany amin’ny saina.
Tatiana A