Anisan’ny tantara mahaliana ny mpikaroka momba ny fivoaran’ny zavakanto, eto Madagasikara, ny an-dry zareo mpihiragasy. Manana asa roa mifampitohy izy ireo. Amin’ny fotoan’ny maintany, manatanteraka seho amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra ny tarika na mpilalao hiragasy. Mirotsaka ny orana, miverina any amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana ny mpikambana tsirairay. Izany hoe, ny ankamaroan’ny mpihiragasy, saika tantsaha avokoa.
Mampiavaka ny tarika mpanao hiragasy iray ihany koa ny tontolon’ny famoronana. Isan-taona, tsy maintsy mahaforona hiragasy iray manontolo ny tarika iray. Tsy afaka miatrika adin-kiragasy ny tarika tsy mahavita izany, satria, raha sanganasa efa hitan’ny tarika mpifanandrina no hoentina eny an-kianja, ho resy mora foana.
Marihina fa tsy mitovy amin’ny lohatenin-kira tsotra ny lohatenin-kiragasy. Fehezanteny iray manontolo hoenti-mamehy ny voalazan’ny renihira (vontoatin’ny renihira), matetika, no nisintonana ny lohatenin’ilay hiragasy.
HaRy Razafindrakoto