Hanampy amin’ny famantarana ny tarehimariky ny fambolena sy ny vokatra azo avy aminy ary ny fomba fihinanana izany ny boky mirakitra ny voka-panadihadiana mahakasika ireo sakafo misy eto amintsika, ny taona 2016-2022.
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny sehatry ny fambolena. Hatreto, mbola miompana amin’ny fambolena mahavelona ny ankamaroan’ny mpamboly, kely ny vokatra azo ka miteraka fatiantoka ao anatin’ny rojom-pamokarana. Noho izany, hanampy amin’ny famantarana ny tarehimarik’ireo sakafo misy eto amintsika ny voka-panadihadihana ny taona 2016-2022, nataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) niaraka tamin’ny ivontoeram-pirenena momba ny antotanisa (Instat), izay notohanan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). « Hanampy izany indrindra ny fitaovana manapa-kevitra izay tafiditra ao anatin’ny paikadim-pamolavolana ny famokarana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo», hoy ny mpandrindra ny tetikasa sy mpiara-miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Randrianaivomanana Andritiana, nandritra ny fanorolarna ny tatitra, teny Antaninarenina, omaly. Misongadina ao anatin’ity voka-panadihadiana ity ny mahakasika ny fihinanan’ny Malagasy tsirairay ny protéïne , ny lipida, glosida, ny vitamina ary ny sira mineraly.
Fanodinam-bokatra
“Manampy amin’ny famolavolana ny politikam-panjakana mahomby amin’ny fomba iantohan’ny Malagasy tsirairay ny sakafo isan-karazany sy ara-pahasalamana ary maro loko ity boky ity”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Hita ao anatin’izay ny antsipirihan’ny vokatra sy ny fomba fihinanana azy anatina vanim-potoana iray. Noho izany, fitaovana mahomby hamantarana sy handrafetana ny politikan’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny tatitra natao.
Ankoatra izay, ahafahana manao tombana amin’ny fahatrarana ny fampandrosoana lovainjafy (ODD), toy ny fihanaky ny tsy fahampian-tsakafo sy ny tondro fatiantoka ara-tsakafo ihany koa, ity tatitra momba ny sakafo ity.
Henintsoa Hani