“Tsy mamaky ady amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena ny Malagasy rugby fa tokony samy haka ny anjara andraikiny”, hoy Rakotomalala Marcel. Setrin-teny, taorian’ny fanakianana nataon’ny minisitra, Marson Moustapha Abdulah, ny Makis Ladies.
Nanoloana ilay fanakianana ny Makis Ladies, nataon’ny minisitry ny Fanatanjahantena, nanome valin-kafatra ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel. Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataony omaly, teny Andohatapenaka, no nilazany fa aoka samy hanao ny andraikiny ny tsirairay. Notsiahiviny fa traikefa ho an’ny Makis Ladies iny lalao tany Dubai iny. Mahakasika ny vokatra indray, nisy fiantraikany teo amin’ireo mpilalao ny hafanana 40 degrés. Rehefa nihazatra anefa nihatsara ny vokatra, porofon’izany nihena ny isa tamin’i Samoa, anisan’ny sangany indrindra. Na izany aza, niaiky ny mpitantana ny Malagasy rugby fa tsy nitovy ny haavo teknika. «Lesoka teo amin’ny Makis Ladies ny lanjan’ny mpilalao ka hiantsoana ny rehetra hitondra fanohanana», hoy izy. Manoloana ny zava-bitan’ny Makis Ladies, mangataka ny hanao «sparring partner» amin’ny Malagasy i Samoa sy i Fidji ka mety ho avy aty ireo firenena roa ireo, avy eo hanasa ny Makis ho any aminy koa.
Nanambara Rakotomalala Marcel fa hatramin’izao tsy mbola azo ny vola nandehanan’ny Makis Ladies tany Dubai, izay anjaran’ny fanjakana ny manefa izany. Ankoatra izay, nanome ny fandaharan-dalao manaraka ho an’ny Makis ny tenany ka fantatra fa ho any Ghana ny Makis ladies, ho an’olona 7, hiatrika ny “Women’s 7s tournament», hatao ny 9-10 novambra ho avy izao. Ny lehilahy Senior ho an’ny rugby lalaovina olona 15 kosa ho any Maroc, hanao ny “Tournoi de repêchage Rugby Africa Cup”, ny 16 novambra 2024. Notsiahiviny fa tsy mahazo «suvbvention de compétition» ny Malagasy rugby.
Tompondaka