Fandaharanasa Masterclass : hampitana ny voka-pikarohana

Hanohana ny fikarohana siantifika sy hanampy amin’ny fampitana izany ho an’ny daholobe ny Telma Mada­gascar sy ny Axian University amin’ny alalan’ny fandaharanasa Masterclass.
« Tanjona ny hampiroboroboana ny seraseran’ireo voka-pikarohana sy hanampiana ireo mpikaroka hampahafantatra izany », hoy ny tomponandraikitry ny Telma, Randrianjatovonarivo Mamy Henintsoa. Noho izany, ma­nao fiofanana mandritra ny roa andro, nanomboka omaly, eny amin’ny Campus Andra­haro, ireo mpikaroka sy mpisehatra samihafa. « Hanampy amin’ny fampitana ny voka-pikarohana sy ahafahan’ny rehetra mahazo azy ny fandaharanasa», hoy ny Pr Andria­maniraka Jaona Harilala, talen’ny fikarohana eo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres), omaly, nandritra ny fampahafantarana ny fandaharanasa teny amin’ny Telma Andraharo. « Lokanady ho anay sy ny firenena ny fanohanana ireo ekipan’ny minisitera mandritra ny fampiofanana azy ireo, mba hahafahany mampita ireo voka-pikarohana mazava sy ho azon’ny rehetra », hoy ny tale jeneralin’ny Axian Univer­sity, i Carolina Meurisse. No­tohizany fa voninahitra ho azy ireo ny hanohana ireo mpikaroka sy hizara ny fahaiza-manaony ary ny traikefany mba hitondra vokatsoa eo amin’ny fikarohana. Anisan’ ireo lohahevitra hovoaboasana mandritra ny atrikasa atao ny serasera, ny fanabeazana. Hitondra fanazavana mahakasika ny fomba hampitana ny voka-pikarohana siantifika ataon’ireo mpiantsehatra iha­ny koa ireo matihanina.

Henintsoa H.

Partager sur: