Hiroso amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena ny FFKM ka hotanterahina amin’ny alalan’ny famoahana tahirin-kevitra sy fandaharana amin’ny haino vaky jery izany. Ankoatra izany, hiatrika ny Komity foibe faha-46 any Morondava ny FFKM, ny 3 hatramin’ny 5 desambra izao. Lohahevitra ny Matio 5,9 “Sambatra ny mpampihavana fa izy no antsoin’Andriamanitra hoe zanany”.
Nanambara ny mpanorina ny Freedom, i Lalatiana Rakotondrazafy, fa hampandany ny kandidàn’
ny Irmar rehetra natolotra any Faratsiho. Mitohy ny valimbabena sy fampivoarana iny distrika iny, araka ny nambarany. Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 10 hanazavana ny lalankely any anaty fokontany ny tenany, ny herinandro teo.
Nangataka ny hanavaozana ireo lalàna momba ny toekarena sy ny sosialy ny masoivohon’i Korea, i Park Ji-Hyun, nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, afakomaly, teny Faravohitra. Voaresaka koa fa iraisan’ny firenena roa tonta ny ady amin’ny kolikoly.
Hanampiana ny ben’ny Tanàna sy ny mpitandro filaminana ny fiara 4×4, araka ny nambaran’ny depiote Din Rotsaka, teny Tsimbazaza, omaly. “Tokony ho anisan’ireo hisitraka izany izahay any Befandriana Avaratra fa efa miisa 40 ireo depiote nahazo izany”, hoy izy. Voaresaka koa ny momba ireo depiote mamita iraka any ivelany ka tokony hanao tatitra ny diany.