Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny tetikasa KFW avy any Allemagne. 40 ny fotodrafitrasa eo am-panamboarana, ankehitriny.
Niaraha-nijery sy nodinihina tamin’izany ny tombana amin’ny ezaka sy ny asa efa vita eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny avy amin-dry zareo Alemà. Anisan’izany ny dingana voalohany sy ny faharoa amin’ny fandaharanasa napetraky ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny PDCID. Manatontosa izany kosa ny Tahiry ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (FDL). Asa vita tamin’izany ny any amin’ny faritra Boeny sy Diana ka nananganana trano maherin’ny 90 sy fanamboarana lalamby miisa 14, mirefy 120 km mahery.
Fitondrana tsara tantana sy rafitra maharitra
Etsy andaniny, miisa 40 ireo fotodrafitrasa vaovao andalam-panamboarana. Ho an’ny fandaharanasa dingana fahatelo kosa, mitentina 25 tapitrisa euros izany. Efa namatsy vola ny MFFT, ho an’ny tetikasa hatrany amin’ny 164, ny eo anivon’ny KFW, amin’ny alalan’ny PDCID, araka ny tatitra ho an’ny taona 2013.
Anisan’ny tanjon’ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny KFW ny fametrahana rafitra sy fitondrana tsara tantana ary ny fitsinjaram-pahefana miaraka amin’ny fotodrafitrasa maharitra.
Tsiahivina fa anisan’ny noraisin’ny minisitra ny mpanara-maso ny tetikasa, ahitana ny lehiben’ny sampana ho an’i Afrika Afovoany sy Atsinanana, i Andrea Holtke, sy ny mpitantana ny tetikasa, i Eva Paul, ary ny manampahaizana momba ny fotodrafitrasa, i Michael Nogues.
Synèse R.