« Novembre Numerique »: hisongadina ny mahakasika ny « Intelligence Artificielle »

Efa mahazo laka tokoa ny fampiasana ny  Intelligence artificielle  ankehitriny, amin’ny lafiny rehetra. Anisan’ny miteraka fahalavorariana sy fahafaham-po izany amin’ny fanatontosana zavatra ireo, indrindra eo amin’ny sehatry ny kanto, saingy mamono tsikelikely ny famoronana.

Tanterahina eny amin’ny Institut français de Ma­da­gascar (IFM) Anala­kely, ny 2 hatramin’ny 16 no­vambra 2024, ny « Novembre Numérique ». Ny IFM miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no mikarakara ny hetsika ary ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny niomerika, indrindra ny zavakanto, no tena kendrena handray anjara amin’izany. Miditra amin’ny andiany fahafito ny « Novembre Numérique » amin’ity taona ity. Lohahevitra ny « l’excellence », midika ho fitadiavana ny tsara sy ny ambonimbony kokoa hatrany. Ity voambolana ity izay tena tsy azo ialana ankehitriny, indrindra manoloana ny fifaninanana isan-karazany.
Difitry ny Intelligence Arti­ficielle ny famoronana, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny zavakanto, ankehitriny. Misy lafin-tsara sy lafin-ratsiny sahala amin’ny zava-drehetra ihany izy ity. Mety hanimba ny maha izy ny zavakanto iray, raha tsy voafehy ny fampiasana azy. Izany indrindra no antom-pisian’ny “Novembre Numerique” eny amin’ny IFM Analakely. Anisan’ny hampiavaka ity andiany fahafito ity ny fandraisan’anjaran’i Yannick Pazzé sy Chloé Guennou. Ireto teratany vahiny ireto izay hitarika atrikasa sy fifampizarana mahakasika ny niomerika mandritra izany. Ankoatra izay, misy ihany koa ny hetsika hafa sahala amin’ny fampiasana ny teknolojia, eo amin’ny famokarana horonantsary, iarahana amin’i Benoit Ramampy. Ny fampirantiana “Expressions Sauvages: Si­faka Collection” hanasongadinana ny vokatsoan’ny fampiasana ny teknolojia amin’ny fitondrana ny mpijery ny ranty any amin’ny tontolo hafa. Eo ihany koa ny velakevitra sy ny dinika mahakasika ny Intelli­gence artificielle sy ny maha olombelona ary ny fetra tokony hampiasana izany.

Lin

Partager sur: