“Samy te…” : hilalao ao an-tokotaniny ny tarika ‘Zay

17 novambra, amin’ny 3 ora sy 28 minitra. Ilay daty sy ora voatondro, hihaonan’ny tarika ‘Zay sy ny mpankafy azy ao “an-tokotaniny” io. Eny, tokotanin’ny tarika ‘Zay sy ny mpankafy azy tokoa ny Lapan’ ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Tsy mbola nisy mantsy seho na­taon’ny tarika ‘Zay tao ka nisy ambiny ny tapakila!
Hanaporofoan’ny tarika ny famalian’ny mpankafy ny antsony ny “Samy te…”, hampisalorana ny fampisehoana. “Mitovy anie isika, samy te hiara-dia… Ndeha samy ha­no­fy ireo sisika sy ireo mamy”, hoy ny fanentanan’ny tarika. Izay fifandraisana akaiky eo amin’ny mpankafy sy ny ‘Zay hatrany no namefy ny lazany tao anatin’ny 28 taona, ka niampitan’ireo kanto tany amin’ny taranaka manaraka ihany koa.
“Misy ny mety tsy ampoizinareo amin’ireo hira efa niarahantsika hatramin’izay. Fa hi­araka hitempo fo isika anatin’ity fiarahana iray ity”, hoy i Ma­lala. Anisan’ireo hira izay hatao voalohany ao amin’ny lapa ny “Ampy izay”, izay hatao hira famaranana ny seho foana koa manomboka eto, raha ny nambaran’ny tarika hatrany.
Tsiahivina fa nisy fifani­nanana “karaoke”, tamin’ireo hi­ran’ny tarika ‘Zay, izay mbola ao anatiny hatramin’
izao. Ho fantatra mandritra io seho io izay hibata ny amboara, ka hahazo ny lelavola 500 000 Ar.

Zo ny Aina

Partager sur: