Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra fa hatao any Ambatolampy, manomboka ny 1 hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra «Ping Pong». Hetsika izay hiarahan’ny Federasiona FMTT sy ny seksiona ao Ambatolampy manatanteraka izy ity.
Hotontosaina, anio, any Mahajanga, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Taekwondo WT. Mahatratra 500 mahery ireo mpikatroka hifanintsana amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Ny sokajin-dalao eo amin’ny fihetsika mirindra “poomsae”
sy ny fifanandrinana “Kyourigi” no hifanintsanana amin’
izany.
Ao anatin’ny fanomanana ny fifaninanana
« Chan 2024” ny ekipam-pirenena malagasy Barea amin’izao fotoana izao. Niakatra ho mpilalao 33 no tonga teny Mahamasina, omaly, araka ny fanadihadiana natao. Tsiahivina fa 28 izy ireo no niatrika izany afakomaly, teny an-toerana ihany. Marihina fa 46 no nantsoina hiatrika ity fampivondronana ity.
Nisongadina tanteraka ny Malagasy mpanamory Motocross, afakomaly, tany Maroc, nandritra ny fifaninanana “Motocross of African Nation (MxoAN)”. Nahazo ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy MX 125 cc, i Madagasikara, izay nahitana an’i Jeremy sy
i Heritiana.