Toekarena manga : antoky ny takalo ara-barotra

Hatolotra mialoha ny filankevitry ny minisitra, anio, ny fikasana ho fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa, ho fampiroboroboana ny fikarohana ny ranomasina sy ny harena ao aminy. Tanjona ny hampandrosoana ny toekarena manga eto amintsika. Mandray anjara 80% amin’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany ny ranomasina. Fonenan’ny 80% ny zavamananaina eto ambonin’ny tany koa izy ary antoky ny ho avy mamiratra eo amin’ny fifandraisana ara-toekarena. Nilaza ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, nandritra ny fivoriana maneran-tany mahakasika ny fampiroboroboana ara-toekarena mifototra amin’ny ranomasimbe, tany Qingdao Sina, ny herinandro teo, fa « rakotra ranomasina ny 71% izao tontolo izao ka miantoka ny toekarena manga ny ranomasina ». Tadindomin-doza nefa ny tontolo ka mila mifanome tanana ny firenena rehetra hampaharitra ny fampiasana azy. Tsiahivina fa efa nisy ny fikarohana nataon’ireo mpikaroka teo aloha niarahana tamin’ny ivontoeram-pikarohana samihafa eto Madagasikara sy tany Sina mahakasika ny tontolon’ny ranomasina.

Henintsoa H.

Partager sur: