TSELATRA

Maty voatifitry ny polisy ao Ikongo ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana. Tao Ambolomadinika Ikongo no nifanehatra tamin’ny polisy ity jiolahy ity, ny sabotsy teo. Nentin’ny polisy hanoro ny toerana misy ireo mpiray tsikombakomba aminy izy no nanohitra tampoka. Miafina ao Ambolomadinika ireo namany ka teny an-dalana no nikasa haka ny basin’ireo polisy izy ka izao lavon’ny bala izao.

Partager sur: