Hiroso amin’ny fampihodinana tsikelikely ny famokarana ataony ny orinasa Ambatovy rehefa niato nandritra ny iray volana mahery, noho ny fahavakisan’ny fantsona mpitatitra akora mampitohy ny fitrandrahana ao Moramanga sy ny orinasa ao Toamasina. Nitaky asa betsaka ireo fanarenana ireo, anisan’izany ny fanamarinana ny hamafisan’ny fantsona. Tsiahivina fa vaky ny 25 septambra ny fantsona.
Ho vita ny volana aogositra 2025 ny RN6 mampitohy an’Ambanja sy Antsiranana izay vatsian’ny Banky eoropeanina vola. Vita amin’ny antsasany ny fotodrafitrasa,ankehitriny, anisan’izany ny tetezana, ny dalot ary ny station de pesage ao Ambanja. Tanjona ny hanatsara ny fifamoivoizana sy hampitombo ny fivezivezen’ny entana. Marihina fa maro ireo fotodrafitrasa efa tafapetraka amin’izao fotoana.
Hanatsara ny vokatr’ireo tantsaha maherin’ny 40 tapitrisa manerana an’i Afrika ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia. Tanjona ny hampitombo ny vokatra ara-pambolena amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny teknolojia voaporofo ho an’ny tantsaha an-tapitrisany. Eo koa ny hanampy 120 tapitrisa taonina amin’ny sakafo sy hanafaka olona miisa 130 tapitrisa anatin’ny fahantrana.