Vola 3 tapitrisa Ar voaroba : Ramatoa voatifitra teo amin’ny lohany

Renim-pianakaviana 53 taona maty voatifitry ny jiolahy omaly. Mpamongady entana plastika ao Bazarikely ity lavo ity.

Manjaka ny asan-jiolahy mitam-piadiana hatrany amin’ny faritra Atsi­nanana. Renim-pianakaviana iray indray no lavon’ny tifitry ny olon-dratsy tsy lavitry ny Bazary kely Toamasina, oma­ly hariva tamin’ny 6 ora. Jio­lahy roa nitam-basy, nanafika teo amin’ny mpivarotra amina toeram-pivarotana kojakoja vita amin’ny plastika ao an-toerana. Handeha hody niaraka tamin’ny mpanampiny ilay ramatoa. Nanatona io renim-pianakaviana io ireo olon-dra­tsy ka nodominy tamin’ny moto avy aoriana ilay tovolahy nitondra ny sakaosy nisy ny vola. Nanery hanome ny vola sy hanaraka izay nolazainy izy ireo. Tsy vitan’io, nambanany tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy io ramatoa io. Niezaka haka ny sakaosy ilay renim-pianakaviana.

Naka vola tamin’ny sakaosy…
Napoakan’ireo jiolahy tampoka ny basy izay nifanitsy tamin’ny tampin-kandrin’ity farany. Vokany, nilentika ta­min’ny lohan’ilay ramatoa ny bala. Nandriaka ny ra ka nitambotsitra teo no ho eo izy. Nirifatra nandositra nitondra moto ary nanao taingin-droa niaraka tamin’ny vola 3 tapitrisa Ar ireo nahavanon-doza. Mpivarotra fanta-daza ao amin’ny tsenan’ny Bazary kely ity niharan’ny fanafihana ity. Mo­nina tsy lavitra ny toerana nifitifiran’ireo tsy valahara azy izy. Nentina nihazo ny hopitaly manara-penitra taorian’ny fahavoazany saingy efa tsy tana intsony ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Tsiahivina, itrangana fanafihana mitam-piadiana matetika ary tsy mandry fahalemana ny mponina ao an-toerana tato ho ato. Herinandro vitsy nitifiran’ireo olon-dratsy ny lehilahy iray mpivaro-kena, mpivarotra kojakoja plastika indray ity lavo ity.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: