Ambohibao Antehiroka: mpanao fihetsiketsehana roa naratra

Nitora-bato ny fokonolona, nanaparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny zandary teny Ambohibao Antehiroka, afakomaly. Olona roa naratra.

Nidina an-dalambe, ni­lanja sorabaventy sy nandoro kodiarana ny mponina teny Ambohibao An­tehiroka, ny alin’ny talata 29 oktobra teo. Leo tsy fisian-drano sy fahatapahan-jiro, nanakan-dalana naneho ny hatezerany ny mponina teny an-toerana. Nitsoaka kiririoka sy nikotaba, voatery niditra nandamina ny toe-draharaha teny an-toerana, niezaka na­merina ny fandriampahale­mana ny zandary. Nilanja vato sady nitangorona teo afovoan’ny arabe ireo mpanao fitakiana. Ny famerenana amin’ny laoniny ny jiro sy ny rano no takin’izy ireo. Mandoa ny faktiora ara-dalàna saingy tsy misy ny fisitrahana. Raikitra ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso nataon’ny zandary. Ny fokonolona tetsy an-kilany izay nitora-bato. Vokany, olon-tsotra roa naratra. Voa mafy teo amin’ny masony ny iray. Samy naneho ny hatezerany nanoloana io tsy fisitrahana hazavana sy rano amin’ny ara-dalàna io ireo mponina. Tsiahivina, nifanesy nanao fihetsiketsehana noho io olan’ny rano sy jiro io ny ankamaroan’ny mponina tamina boriborintany vitsivitsy teto an-dRenivohitra, tao anatin’ny herinandro. Mandoro kodiarana, manapaka lalana hatrany izy ireo ka antony nahatonga ny fifandonana amin’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: