Nikiakiaka sy niantso vonjy sisa hany herin’ilay vehivavy niharan’ny sinto-mahery teo amin’ny arabe mifanila amin’ ny Pavillon Analakely, omaly hariva tamin’ny 6 ora. Namoaka telefaonina, niresaka tamin’ny olona tamin’ny alalan’ny antso ny tovovavy iray. Ahina ho efa nanara-maso ny fihetsiny anefa ny mpanendaka izay nivezivezy teny an-toerana. Nandrasan’ity farany kendry tohiny, nororitiny ny finday teny am-pelatanan’ilay vehivavy izay mbola variana miresaka. Nirifatra nitsofoka tany anatin’ny olona io mpangalatra io. Tsy nisy azo natao, nitazam-potsiny ireo mpandalo noho ny tahotry ny havalin’ ireo mpanendaka. Ankoatra io, vehivavy iray hafa koa lasibatry ny sinto-mahery teny Ambodin’Isotry, io omaly io ihany. Hiditra ny taxi-be, nororitin’ny olon-dratsy ny poketra an’ny vehivavy iray. Raha tsiahivina, nitrangana fanendahana nataon’ny jiolahy nitondra sabatra teny Tanjombato, afakomaly. Mpampianatra avy naka ny karamany teo amin’ ny banky io ramatoa lasibatra io.
Tsiferana R.