Misedra olana ny ekipa malagasy handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja billard. Tsy mbola azo ny “visa”, ny fifaninanana anefa efa manakaiky. Miisa 14 ireo hiaro ny voninahi-pirenena, any Malte, amin’izany.
Hotanterahina any Malte, ny 2 – 10 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja billard. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara ka mpilalao 14 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Ny 3 mianadahy amin’ireo, mpilaravinahitra mipetraka any France: David Cadet, Marolahy Princy Chan ary i Fabiola. Ho fiatrehana izany, nanome fitafiana “chemises” miisa 2 sy “polo” ary “serviette” ho an’ ireo mpilalao ny fikambanana More Than Basket-ball (MTB). Notanterahin’ny filohan’ny MTB, Andrianaivo Tsimbina, tetsy Mahamasina, omaly, ny fanolorana izany teny an-toerana.
Ankoatra izay, nolazain’ Andriamihaja Raharinavalona Daniela, kapitenin’ny ekipa malagasy fa misedra olan’ny delegasiona ny Malagasy telo andro mialoha ny fifaninanana. Hatramin’izao mantsy, tsy mbola nahazo ny fahazoan-dalana “visa” ireo mpilalao rehetra. Notsiahivina fa efa indroa nangataka izany tamin’ ny masoivohon’i Frantsa izy ireo, saingy nolavina hatrany. “Tsy izy ireo mantsy no misahana izany, hany ka voatery nandefa olona any Pretoria Afrika Atsimo, mitondra ny antontan-taratasy rehetra hakana io “visa” io”, hoy Ranaivo Mbolatiana, anisan’ireo mpilalao.
Mety ho ny 1 novambra vao ho tafainga ny ekipa malagasy ka ny 2 novambra, andro hanombohan’ny fifaninanana vao ho tonga any an-toerana. Sokajy 5 no handraisana anjara dia ny “Masters, sénior, U23”, lehilahy sy ny vehivavy. Miatrika lalao ho an’ny isan-tarika, ho an’olon-droa, ary an’olon-tokana, ny firenena mpandray anjara. “Manana herijika handrombaka amboara ny Malagasy satria manana talenta ary efa tsara fiomanana”, hoy i Diallo Stephanie Malalatiana.
Tompondaka