Fanajana ny zon’olombelona : nahazo fiofanana ireo polisy mpikaroka fandikan-dalàna

Nosokafana ny 28 oktobra teo, tetsy amin’ny sampan­draharaha misahana ny fikarohana sy fiofanana (DRFC) Antanimora, ny fampiofanana momba ny ady amin’ny fampijaliana olona. Tafiditra indrindra amin’ny fanohizana ny tetikasa nosoniavin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny Association pour la prévention de la torture (APT) izao fampiofanana omena ny polisy izao. Natao izao mba hanatsarana ny fahaiza-manao eo anivon’ny polisim-pirenena ma­nomboka amin’ny lehiben’ny sampandraharaha tsirairay ka hatramin’ny mpisehatra mi­vantana eny an-kianja. Tan­jona ny hanafoana ny fampijaliana atao na mihatra amin’ny olona iray mandritra ny fisamborana, fanadihadiana na fitazomanana olona anaovana fanadihadiana. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Randriambelo Mandimbin’Ny Aina. Nizara andiany maro­maro ireo mpiofana ka ny herinandro voalohany, natokana ho an’ireo lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny polisim-pirenena. Hitohy ao ana­tin’ny telo herinandro izany ka ireo lefitry ny lehiben’ny sampandraharaha isan-tsokajiny no hanaraka ny fiofanana. Hamoaka tari-dalana ny avy ao amin’ny kaomity aorian’ny fampiofanana mba hanenana sy/na hanafoanana mihitsy ireo endrika fampijaliana mandritra ny asa hiantsorohan’ny polisy.

J.C

Partager sur: