Vonona hanao ny anjara tandrify azy amin’ny fampiharana ny lalàna ao anatin’ny fangaraharana sy tsy fitanilana ny minisiteran’ny Fitsarana. Fantatra izany tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny fikambanan’ireo banky miasa eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Association professionnelle des banques (APB) ny minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly. Nitarika azy ireo tamin’izany ny filoha mpisolo toerana ny fikambanana sady tale jeneralin’ny banky Société générale Madagascar (SGM), i Yéry Seck. Mba ho antoka sy fanamorana ny asa fandraharahana ataon’ny banky izay fampiharan-dalàna ao anatin’ny fangaraharana sy tsy fitanilana izay. Vonona hitondra fanatsarana ireo lalàna efa misy mba hiantohana ny fampiasam-bola vaventy koa ny minisitera, ho fitsinjovana ny orinasa madinika sy ny tanora manana tetikasa tsara. Nangatahiny koa ny fanatsarana ny tolotra omen’ny banky.
R. Nd.