Farafangana : nitsidika ny renivohitra ireo mpianatra 15

Nitsidika an’Antananarivo ireo mpianatra 15 sangany tamin’ny fahafahana fanadinana CEPE sy BEPC farany teo, avy any amin’ny disitrikan’i Farafangana, omaly. Nitarika azy ireo, tamin’izany, ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Raby Sava­tsarah Ain’Harimanga Gabriel­le. Tanjona ny hampirisihana ny zaza hiezaka sy hilofo amin’ny fianarana satria zava-dehibe ny fanabeazana. Nitsi­dika toerana maro izy ireo, anisan’izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Rovan’i Manjakamiadana ary ny Lapan’ny Antenimieram­pirenena Tsimbazaza. “Nen­tina nampisehoana ny zava-misy sy nampahafantarana ny toerana hivorian’ny depiote ireo ankizy tetsy Tsimbazaza”, hoy ny solombavahoaka, Raby Savatsarah Ain’Hari­ma­nga Gabrielle, teny an-toerana. Mbola hotsidihina ihany koa ny Lapan’ny Antenimi­eran­doholona, ny valan-javaboahary Tsimbazaza, ny Croc farm etsy Ivato ary ny seranam-piaramanidina.
“Mbola anisan’ny distrika tavela amin’ny tontolon’ny fampianarana ny any Fara­fangana noho ireo olana se­drain’ny ankamaroan’ny sekoly any an-toerana”, hoy hatrany izy. Efa nisy ny fangatahana naroson’izy ireo tamin’ny minisitry ny Fampianarana hanomezana Lycée manara-penitra any amin’ny kaominina tena mbola mijaly. Tsy maintsy voatery miala ny kaominina misy azy ny ankizy rehefa hiditra any amin’ny CEG na Lycée, noho izany zava-misy izany. Nohamafisiny fa miezaka manao ny ainy tsy ho zavatra sy mitondra ny voatsirambin’ny tanana hanampiana ny lafin’ny fampianarana izy ireo. Mba hampiakarana lanja ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Ankoatra izay, niantohan’ny fikambanana tarihin’ity solombavambahoaka ity ny fiantohana ny fianaran’ireo mpianatra dimy sangany tamin’ny fahafahana fanadinana Bakalorea farany teo, tany an-toerana.

Mino

Partager sur: