fivoriamben’ny Sadc : manomboka ny fanomanana eto Madagasikara

Efa maka bahana sy anatin’ny fikarakarana tanteraka. Tonga eto amintsika ireo delegasionina misahana ny sekretaria eo anivon’ny Sadc, tarihin-dRalarosy Radaody Bodo Tantely. Hanomana ny handraisan’i Madagasikara ny fihaonana antampon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta mpikambana eo anivon’iy vondrona ity izao iraka ataon’izy ireo izao. Anisan’ny nihaona tamin’ireo delegasionina ireo ny tompon’ andraikitra isan-tokony eo anivon’ny minisiteran’ny Rahara­ha­mbahiny (MAE). Tahaka izany koa ireo rehetra voakasika amin’ny handraisana izany fihaonana antampony izany. Eo koa ireo mpitantana sy ny mpandraharaha eny anivon’ny banky sy ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany. Manampy izany ny fidinana ifotony sy nitsidihana ireo toerana rehetra handraisana na hampiantranoana ireo delegasionina. Tahaka izany koa ny momba ny toerana hivoriana. Anisan’izany ny eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny eny amin’ny CCI Ivato…
Efa nanao tatitra ny diany sy ny fahitany izany rehetra izany ireto delegasionina ireto tamin’ny fihaonana tamin’ny tale jeneralin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, eo anivon’ny MAE, Rabemananjara Harifera, omaly.
Tsiahivina fa hotanterahina eto amintsika, amin’ny aogositra 2025, izany fihaonana antampon’ny Sadc izany.

Synèse R.

Partager sur: