Nampahafantarina omaly ny vokatry ny tetikasa Voanio, teny amin’ny kaominina Ambavahaditokana. “Azo avy amin’ny RFF Fifa, izay rafitra misahana ny fitantanana ny fako ao an-toerana ny tetikasa”, hoy ny mpandrindra, Andrianjafitrimo Mamy Victorine.
Nandritra ny taona iray nanatanterahina ny tetikasa dia nisongadina ny fikojakojana ny tontolo iainana izay miady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Ny fokontany 6 ao anatin’ny kaominina no misitraka ny tetikasa.
Tanjona ny hahatafiditra tokantrano 1 900 ao anatin’ny rafitra RFF Fifa.
Napianarina hahay hanavaka ny fako miala any an-tokantrano ny olona. Nanodina ny fako ho lasa zezika, nanamboatra arina fandrehitra…
500 ny vehivavy nisitraka mivantana ny tetikasa, 30 ny vondrom-behivavy, teo ny mpanentana eny ifotony ary ireo vehivavy marefo…
Namolavolana ny vehivavy ho sahy hiatrika ny sedram-piainana ihany koa ny tetikasa. Nanabe ho lasa mpitarika any anaty fiarahamonina.
Heverina ny hisian’ny tetikasa Voanio andiany faharoa. Tanjona ny fampitomboana ny mpisitraka ny rafitra RFF Fifa eo amin’ny kaominina.
Tatiana A