Tsy tokony hisy delestazy intsony manomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 orana alina, hoy ny filoha, nandritra ny fitsidihana nataony teny Ambohimanambola, omaly. Hampiasaina avokoa ireo milina mpamokatra herinaratra hampihenana hatramin’ny 80% ny fahatapahan-jiro.
Vahaolana ampiharina avy hatrany no nentin’ny filoham-pirenena hampihenana ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina, nandritra ny fivoriana niarahany tamin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo sy ny tale jeneralin’ny Jirama ary ireo tomponandraikitra samihafa teny Ambohimanambola, omaly. Hampiasaina avokoa ireo milina roa ao amin’ny Turbines à combustions(TAC) Ambohimanambola mba hampitomboana ny famatsiana herinaratra, hampihenana hatramin’ny 80% ny fahatapahan-jiro. Hiasa adiny dimy isan’ andro ireo milina ireo ka hamatsiana solika hatramin’ny 300 tapitrisa Ar isan’andro. Hisy ihany koa ny fandatsahana orana artifisialy vantany vao feno ny fepetra mba hampitomboana ny tosiky ny rano ao Andekaleka. Tanjona ny hahazoana herinaratra mandritra ny 15 ora isan’andro, izany hoe, manomboka amin’ ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 ora alina. « Nitarazoka ny delestazy tamin’ity vanim-potoana maintany ity nefa mitovy ny fatran’ny solika nampiasaina hampihodinana ny milina tamin’ny taon-dasa sy ny amin’izao », hoy ny filoham-pirenena. Notsindriany manokana fa mitentina 30 miliara Ar isan-taona ny tohana omen’ny fitondram-panjakana ho an’ny Jirama. Tafiditra ao anatin’ izany ny solika hampandehanana ireo milina tokony hampiasain’ny orinasa.
Angovo
Hapetraka manomboka amin’ny herinandro koa ireo tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (Parc solaire) izay hamokatra 20 MW. Hapetraka mialoha ny volana mey 2025 ihany koa ilay tobim-pamokarana herinaratra 105MW ao Ambohimanambola. Ankoatra izay, aparitaka manerana ny renivohi-paritany ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina mitotaly 250MW, ka hapetraka eto Antananarivo ny 100MW. Hahodina ireo fakon’Andralanitra mba hamokarana herinaratra hatramin’ny 30 MW. Hapetraka ny tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny rivotra sy ny rano.
Henintsoa Hani