Rabary Paul: « Samy hafa ny tanjon’ny antoko politika sy ny mahaleo tena »

Mihavery hasina ny antoko politika mitaha amin’ny tsy miankina amin’ny fifidianana, ohatra? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Rabary Paul. “Samy hafa ny tanjon’ny antoko politika sy ny mahaleo tena”. Dinidinika..

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny antoko politika toa mihavery hasina mitaha amin’ny tsy miankina amin’ny fifidianana?

Rabary Paul (-): Samy hafa ny tanjon’ny antoko politika sy ny mahaleo tena. Maka fahefana amin’ny fifidianana fotsiny ny mahaleo tena: mirotsa-kofidina, mahazo fahefana, ampy azy izay. Miady ho an’ny tenany izy amin’ny maha mahaleo tena azy: ny heviny sy ny tenany no tohanany. Ao anatiny izay amin’ny antoko: maka fahefana. Fa misy hafa ao ambadik’izay: adihevitra politika, fitrandrahana hevitra, fanabeazana olom-pirenena amin’izay hevitra izay. Tsy misy hoe tsara na ratsy ny antoko na ny mahaleo tena, fa samy manana ny lalany izorany. Ny maha sarotra ny antoko: tsy ny olona no atosika fa hevitra. Ny hoe mihavery hasina ny antoko: mitovitovy amin’ny fanaon’ny mahaleo tena ihany fa tsy hita raha tsy efa misy fifidianana, tsy manana foto-kevitra fa ny olona ihany no atosika.

* Inona no hanarenana an’izay? Ianao miteny matetika hoe mandroso ny demokrasia eto Madagasikara?

– Miverina amin’ny fitrandrahana hevitra ny antoko, raha tiana hiverina ny hasiny. Eo ny fitaizana, indrindra ny fampirisihana tsy hifototra na hiankina amin’ny olona. Mandroso ny demokrasia eto Madagasikara. Voalohany, malalaka ny fanehoan-kevitra na ofisialy na tsia, na amin’ny haino aman-jery na tambajotran-tserasera. Manana ny heviny avokoa ny olona amin’ny resaka politika. Ny demokrasia voalohany dia ny fanekena fa tsy mitovy ny hevitra. Eo koa ny fahazoana maneho an’izay. Faharoa, misy ny fifaninanana ara-politika. Mandeha avokoa ny fifidianana, misy ny fifanajana sy ny fanehoan-kevitra. Fahatelo, ny fisiana Antenimierampirenena miady hevitra sy fanoherana ao anatin’izany. Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny hoe lehibena antoko mpanohitra ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena. Tsy midika izany hoe tonga lafatra. 300 na 400 ny antoko politika eto. Izay no olana: tsy misy adihevitra araka idelojia, fa hoe mila mankeo na miverina eo amin’ny fitondrana fotsiny ny hevitra.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: