Hotanterahina ny sabotsy 16 novambra ho avy izao ny andiany faha-7 amin’ny “Rallye des litchis”, dingana fahadimy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2024. Fifaninanana, karakarain’ny klioba AC 501. Mahatratra
121, 56 km ny halaviran’ity rallye ity. Misy dingana manokana «ES» miisa 6 mirefy 73, 24 km izy ity.
Hotanterahina ny tapany maraina ny dingana manokana miisa 3 ary ny tapakandro hariva ny 3 ambiny. Hanombohana izany ny eo amin’ny Ermitage, mampitohy an’Ambatolaona 1, misy halavirana 11, 16 km. Ny faharoa, Sambaina sy CEG Ambatomanga 1, mirefy 12, 66 km ary ny fahatelo eo Ambohitsimeloka sy Ambalavato 1, misy 12, 80 km. Hanana lanjanisa 1 ity rallye ity.
Marihina fa hamarana ny taom-pilalaovana 2024 izy ity. Tsiahivina, efa fantatra fa ny ekipazy avy amin’ny klioba Asacm no nandrombaka ny ho tompondakan’i Madagasikara, tsy iza fa i Mathieu sy Andry Tahina. Mbola hanana ny lanjany kosa izany ho an’ireo sokajy sy kilasy hafa.
Tompondaka