SOMBIM-BAOVAO

Resy nanoloana ny tompondakan’ny WFC i Tojo Heriniriana, tao anatin’ny fifaninanana « WFC Championship », izay ataony any Chine, taranja MMA. Voninahitra lehibe ho azy ity ady ity satria niady teo amin’ ny sokajy -61 kg izy, raha toa ka -57 kg ny sokajin-danja misy azy. Mbola mitohy ny fifaninanana ho an’i Tojo.

Mitarika vonjimaika ny GNVB ao amin’ny sokajy lehilahy, anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Madaga­si­kara, U23, lahy sy vavy, tanterahina any Fianarantsoa. Eo amin’ny sokajy vehivavy, ny BI’As no mitarika ao
amin’ny vondrona B ary ny GNVB ihany koa no voalo­hany ao amin’ny vondrona A.

Nanomboka omaly, ao Toliara, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja karate. Mpikatroka 500 avy amin’ny ligim-paritra 24 no tonga any an-toerana hiatrika ny fifaninanam-pirenena izay hitohy hatramin’ny 3 novambra izao. “Hatao modely ity fifaninanana ity”, hoy ny filohan’ny FKM.

Hotanterahina ny zoma 1 hatramin’ny 3 novambra izao, eny amin’ny Lycée Saint Jean de Matha Moramanga, ny fifaninanana basikety “Inter-etablissement scolaire”, karakarain’ny fikambanana Fivam. Sokajy U13, U15, U17, lahy sy vavy, no hifaninana mandritra izany, mitondra ny anarana “Born to Play”.

Partager sur: