TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fiarahana amin-dRakoto. Eny amin’ny Custom Café Ampasamadinika indray ity mpanakanto ity, anio, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina. Tsy misy vidim-pidirana izany, ho an’ireo izay te hihanoka indray ny “Zandry kely” sy ireo hira maro hafa noketrehiny hatramin’izay. Mandalo ihany no eto an-tanindrazana Rakoto, ka fanararaotra ny fotoana toa izao.

“Revy Lôlô sy ny tariny”, eny amin’ny espace Niry Ambohimangidy Ampitatafika. Anio manomboka amin’ny 7 ora indray ity seho iarahana amin’i Benny, Bebey ary i Nini Kolibera ity. Araka ny anarany, hamerina hatrany ireo hiran’ny taona 80 sy 90 nanamarika ny Lôlô sy ny tariny izy telo mirahalahy ireto.

Miranty eny amin’ny Maison Sociale des arts Ambatovinaky, nanomboka ny 25 oktobra 2024 hatramin’ny 25 novambra 2024, ny zavakanton’i Jean Nirina Razafindralambo. Ao anatin’ny fampirantiana « Izy ireo » hanehoana tantara sy momba mpanakanto fahiny no hanehoany izany zavakantony izany.

Tonton Pa avy amin’ny tarika Rebika sy José avy amin’ny tarika Hasina indray no hanafana ny sehatry ny Cercle Mess Soanierana, anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ankoatra ny fikaloana ny hira nahafantarana azy mirahalahy ireto, hisy koa ny fampiaraham-peo eo amin’ny roa tonta. Hisokatra ho an’ny rehetra ny sehatra.

Partager sur: