Kalon’ny omaly… Hain’ny tarika johary tsara ny miangaly izany. Tsy mamerina fotsiny fa mampita sy mampiaina no tanjona amin’ilay fampisehoana hataon’ny tarika manaraka eo.
«Tarika Johary mihira Barijaona sy Kintana Telo». Io ny lohatenin’ny fampisehoana, izay hotontosaina ny alahady 10 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy 14 minitra, ao amin’ny efitrano fanaovan-danonan’ny CCI Ivato. “Tsy hihira fotsiny fa hampita sy hampiaina ny sanganasan’i Barijaona sy ireo hira nanamarika ny Kintana Telo izy ireo. Ezahina ny hampita ny fanahin’ny hira, araka ny nanaovan’ny mpamorona sy ny mpihira tany am-boalohany azy. Efa fitaizana ny famelomana ireny hira ireny”, hoy Andriamihaingo Luc Hervé, mpikarakara avy ao amin’ny LH Pro, omaly.
Teraka taorian’ny fahombiazan’ilay seho “Johary mihira Kintana Telo”, izay notontosaina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny hevitra. “Mendrika loatra an’ireo nametraka ny sanganasany ho lova ho antsika mpankafy mozika ny fampisehoana mihaja toa izao, ka izay no nampitsiry ny hevitra hampiakatra ny lenta sy nisafidianana ihany koa ny CCI Ivato, izay toerana mahafeno ny fepetra ara-teknika sady tsy lavitra rahateo”, hoy hatrany ny fanazavana.
Maro ireo tsy nahalala ny ankamaroan’ny sanganasan-dry Barijaona sy O’Suzah, raha tsy naverin’ny tarika Johary izany, taty aoriana. Nahafahan’ireo izay nankafy nikaroka bebe kokoa momba an’ireto mpanakanto anisan’ny voalohandohany nitondra avo ny mozika malagasy tany ivelany ireto izany.
Azo lazaina ihany koa fa nametraka ho fitaratra ka nanara-dia ny Kintana Telo ihany koa ry Gothlieb, Mahery ary Luc. Taorian’ny nahalasanan’i Gabhy sy i Romule, tazana niray sehatra matetitetika tamin’i Salomon teny ihany izy ireo. Porofon’izay fanilo miampita izay, anisan’ny hasaina amin’ity seho ity i Salomon, izay Kintana mbola miaka-tsehatra amin’izao fotoana izao. Eo ihany koa ry Liza Raseta, Lily, ary Lilie, mameno amin’ny feom-behivavy, mba tsy hisy hipika ny rindran’ny hira, araka ny nanaovan’ny mpamorona sy ny mpamerina voalohany azy.
Zo ny Aina