Mibahan-toerana ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ho an’ny taona 2025 (PLFI) ny sehatry ny fambolena, ny angovo azo havaozina ary ny fotodrafitrasa.
Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hamerenana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina, amin’ny alalan’ny fanovana sy fampiroboroboana ny fambolena. Haparitaka any amin’ny tantsaha ny volivary safiotra sy ny masomboly voafantina. Hatsangana ihany koa ny ozinina mpamokatra zezika, hampiroboroboana ny fambolena. Hapetraka ny tetikasa hanodinana ny fako eny Andralanitra hanampiana ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Hovitaina ihany koa ny tetikasa hamokarana herinaratra amin’ny rivotra sy ny rano, hotohizana ny fizarana « kits solaires » ho an’ireo tokantrano manerana ny Nosy. Antoky ny fampiroboroboana ny toekarena ny fanajariana ny lalana mba hahafahan’ny olona sy ny entana mifamezivezy. Hitohy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa goavana, toy ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny RN13 sy ny tetikasa Flyover eny Anosizato.
Ankoatra izay, hotohizana ny fitarihan-drano lehibe ao Efaho, atsimon’ny Nosy, sy ny fizarana ny karinem-pokontany misy « QR code».
Henintsoa H.