Tratra teo am-pisavana : taksiborosy tratra nitondra rongony 30 kg

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana rongony. Saron’ny zandary misahana ny fisavana ireo fiara mifamezivezy eny amin’ny lalam-pirenena ny 26 oktobra 2024 maraina, tao Ambatolampikely, kaominina ambanivohitr’ Ambanitsena, Pk 22+200, ireto roa lahy nandeha taksiborosy ireto. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny fiara iray avy any Moramanga hihazo an’Antananarivo no nahatsika­ritra olona somary hendratrendratra sady hafahafa fihetsika tao anaty fiara izy ireo. Niroso tamin’ny fisavana ny fiara ny zandary ka fantatra tamin’izany fa mitondra gony lehibe roa feno rongony natao tsara afina tao ambany seza fitoeran’ entana io fiara io. Nogiazan’ny zandary avy hatrany ny entana raha notazonina natao famotorana kosa ireo roa lahy avy any Moramanga sy Ambohimirary. Nampidirina am-balan-tsazy ilay taksiborosy nitondra ireto zava-mahadomelina ireto. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nandritra ny famotoran’ny zandary.

J.C

Partager sur: