Maherin’ny 100 tapitrisa dolara isan-taona ny fandaniana vokatry ny fahataran’ny tetikasa mpamokatra herinaratra, toa an’i Sahofika izay manome 192 MW, sy Volobe mamokatra 121 MW. Mitombo ny fandaniana noho ny fiankinandoha amin’ny fanafarana solika ka miteraka fatiantoka hatrany amin’ny 355 tapitrisa dolara ho an’ny Jirama izany. Ny taona 2022, nitombo 29% sy 48% ny vidin-tsolika sy gazoala raha oharina ny taona 2021
Afaka manodina tantely 100 litatra isan’ora ilay milina napetraka ao amin’ny faritra Boeny, Mahajanga. Mamokatra tantely 50 taonina ny ao an-toerana, ao anatin’ny taona. Midika izany fa tsy manana olana amin’ny akora fototra ny milina mpanodim-bokatra napetraka. Hita any an-toerana ihany koa ireo karazan-tantely. Tanjona ny hanodim-bokatra 10 taonina ho an’ny taona 2025.
Hiara-hiasa ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM) sy ny Grand Café de la gare amin’ ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Nanao sonia ity fifanaraham-piaraha-miasa ity ny tale mpanatanteraka ny CTM sy ny tale jeneralin’ny Grand Café de la Gare, ny talata teo. Marihina fa tafiditra ho anisan’ireo firenena tsara tsidihina mandritra ny taona 2024, ny Nosy malagasy.