Mbola mamono eto Madagasikara ny tazomoka. Anisan’ny aretina voalohany hanatonan’ny marary ny tobim-pahazalamana izany. Hisy ny fizarana lay misy odimoka miisa 14,9 tapitrisa manerana ny Nosy.
Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fizarana lay misy odimoka isan-tokantrano, manerana ny Nosy. Miisa 14,9 tapitrisa ny lay hozaraina hiarovana olona 28 tapitrisa amin’ny aretina tazomoka.
Miara-miasa amin’ny amerikanina i Madagasikara amin’ny fahazoana izany lay izany. Ho fanamafisana ny fepetra fiarovana amin’ny tazomoka izay voaporofo fa mahomby sy tsy lafo ary mamonjy aina.
Anisan’ireo fepetra fiarovana ireo ny fizarana lay misy odimoka, ny famendrahana ranom-panafody mamono moka, ny fanomezana fanafody fisorohana odimoka ho an’ireo vehivavy bevohoka sy ny fanaovana fitiliana ary ny fanarahana fitsaboana mahomby.
Hiaraha-miasa amin’ny fonds mondial miady amin’ny VIH/Sida sy ny raboka ary ny tazomokoa ny hetsika. Ny fonds mondial no manome ny lay miisa 12 tapitrisa fanampiny. Rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ireo lay ireo dia afaka mampihena hatramin’ny 25% ny tahan’ny trangana tazomoka ary miaro ireo olona mahazo izany.
Manao fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hampiasa ny lay araka ny toromarika omena, hahazoana antoka ny fiarovana azy ireo amin’ny tazomoka.
Ankoatra ny fanohanana ny fizarana lay misy ody moka dia manampy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny tazomoka ihany koa ny PMI.
Ny governemanta amerikana no anisan’ireo mpamatsy vola lehibe indrindra amin’ny ady atao amin’ny tazomoka eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fanomezana famatsiam-bola mitentina 26 tapitrisa dolara isan-taona hisorohana sy hifehezana ny tazomoka.
Taona 2024: Olona 2 tapitrisa no voan’ny tazo
Manohana hetsika famendrahana ranom-panafody hiadiana amin’ny tazomoka ihany koa i Etazonia. Hiaro olona miisa 569,949 amin’ny tazomoka mahafaty ity ezaka fanao isan-taona ity. Iray amin’ireo aretina matetika tsaboina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tazomoka.
Hanohana famendrahana ody moka ny PMI sy ny USAID. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny hetsika famendrahana ary tsy hifarana raha tsy ny 22 novambra izao. Tokantrano miisa 109 292 avy amin’ny distrika efatra, izay nahitana trangana tazomoka betsaka, no hanaovana izany. Anisan’izany Ivohibe, Isandra sy Ankazoabo ary Ikalamavony. Famendrahana fanafody amin’ny atitrano no hatao ka olona miisa 569 949 no hahazo fiarovana vokatr’izany ary anisan’izany ireo marefo, toy ny vehivavy bevohoka sy ny zaza latsaky ny dimy taona. Ankatoavin’ny OMS ny fampiasana io fanafody io.
Tatiana A