Ankazobe : voasambotra ilay mpaka an-keriny

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’Ankazobe, ny 27 oktobra teo. Naolany ny tovovavy iray takalonaina 17 taona. Nentin’ny fiara mazda nandositra, vehivavy iray 17 taona niharan’ny fanolanana nataona tovolahy tany Manaranarintsoa, fokontany Andriatsibiarivony, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny 27 oktobra teo. Niara-nijery lalao baolina kitra tamin’ny namany ny andiana tovovavy tao amin’io tanàna io. Nentin’ny fiara iray izy ireo ka nikasa hiala tamin’ny tanàna misy azy ireo tsirairay avy. Nandalo ny tanàna, tsy nijanona ilay fiara fa nolalovany fotsiny ihany io toeram-ponenan’ny iray tamin’ireo tovovavy io, tamin’ny 7 ora hariva. Nanahy ny roa tamin’ireo tovovavy ka tafatsoaka aloha kelin’ny tanàna. Tafaraka tamin’ny mpamily, tsy tafala intsony tao anatin’ny fiara ny iray. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana manoloana io tranga io. Nametraka fitarainana teny anivon’ny zandarimaria ny ray aman-drenin’ilay vehivavy 17 taona. Tratra tao an-tranony, tao Ampanotokana, kaominina Ambohidratrimo, ny mpamily. Efa nalefany nody anefa ilay tovovavy tsy ampy taona. Nilaza tamin’ny olona akaiky azy ilay ankizivavy fa nentin’ilay mpamily an-keriny. Noterena hanao firaisana izy, araka ny fitantarany tamin’ny mpanao fanadihadiana azy. Notazomina atao andrimaso ny mpamilin’ny fiara.

Tsiferana R.

Partager sur: